VAO HAINGANA AHO NO NANOLOTRA NY FIAINAKO HO AZY

ARAHABAINA IANAO!

Faly be aho fa nivavaka ianao nangataka an’i Jesosy ho mpanjakan’ny fonao. Izao no fanombohana vaovao sy feno fientanam-po ho anao. Fantatro fa nitaky herim-po sy finoana kely avy taminao izany, kanefa nihaino ny vavakao Andriamanitra.

Ary satria nanasa an’i Jesosy ho Tomponao ianao, dia izao Izy hanome anao fanoroan-dalana, fitarihana sy fiononana ary fiadanana. Ankehitriny, hanomboka hanana anjara toerana eo amin’ny fiainanao ny Tanjony satria miara-dalana Izy sy ianao isan’andro. Ho manga kokoa ny lanitra, ho maitso kokoa ny ahitra. Rehefa manana olana ianao, afaka manatona haingana azy amin’ny alalan’ny vavaka.


ANDAO ARY HIVERENANTSIKA INDRAY NY FOMBA ILAZAN’NY BAIBOLY FA AZONTSIKA ATAO NY MAHAHAFANTATRA RAHA HO ANY AN-DANITRA ISIKA.

Mi telo izany no iantsoako izany:

Miaiky aho fa nanao ratsy. Mpanota aho. Ary Andriamanitra dia tsy mamela na dia fahotana singany kely iray ho any an-danitra, fa raha tsy izany tsy ho lanitra intsony ny lanitra.

Mino ato am-poko aho fa Jesosy dia tena tonga, ara-bakiteny, mba hamoy ny ainy noho ny fahotako, ary nitsangana tamin’ny maty Izy, noporofoiny ny maha-Izy Azy.

Miaiky ny fahotako aho ary mangataka ny famelan-keloka lehibe avy Aminy. Vonona aho hiala amin’ny fahotana rehetra miaraka amin’ny fanampian’Andriamanitra. Manaiky an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ahy aho… ho lehibe mpitarika ahy

Araky ny efa fantatrao ary, tsy afaka nanadio ny fiainanao ianao talohan’ny nanatonanao an’Andriamanitra. Tonga fotsiny ianao araky ny maha-ianao anao. Tsy talanjona amin’ny fahadiovantsika na ny asa soa vitantsika Izy, satria, tsy misy ota velively ao Aminy. Manasa antsika izy ho voavela heloka sy ho tonga olona afaka.

Ary noho izany, heveriko fa toy izao ny vavaka nataonao:

“Jesosy Malala ô,

Manaiky aho fa nanao ratsy, ary mpanota aho. Mifona aho noho ny fahotana vitako. Mino aho fa maty Ianao nisolo toerana ahy ary nitsangana tamin’ny maty. Ka miaiky ny fahotako eto anatrehanao aho. Mamelà ahy ary omeo fiandoham-piainana vaovao aho. Mangataka Aminao aho mba ho Ianao no lehibeko sy Tompon’ny foko. Ampio aho izao mba hiaina ho Anao. Misaotra Anao aho noho ny fitiavanao lehibe sy ny famelan-keloka avy aminao. Manao izao vavaka izao aho amin’ny anaran’i Jesosy… amen!”

Ary raha tena vokatry ny fonao tokoa no nanaovanao izany vavaka izany dia nihaino anao teo no ho eo Andriamanitra. Namela heloka anao izy tamin’ireo zavatra ratsy sy feno fahotana rehetra vitanao hatramin’izay. Na kely na lehibe ny fahotanao, voavela izany. Ary izao dia manana fiandoham-piainana vaovao tanteraka ianao… madio ny solaitra!

IZAO MANARAKA IZAO NY FOMBA HAHAFAHANAO MITANDRINA IO FITIAVANA AN’ANDRIAMANITRA IO HO VELOM-BOLO SY MATANJAKA HATRANY:

Vakio ny Baibolinao ary mivavaha isan’andro. Mamporisika anao aho hanomboka ny famakianao ao amin’ny bokin’i Masindahy Jaona. Hambarany aminao ny momba an’i Jesosy sy ny Fitiavany mahatalanjona ho anao. Ary ny vavaka dia tsy inona akory fa ny firesahana amin’Andriamanitra. Misaora Azy amin’y zava-tsoa eo amin’ny fiainanao, ary mangataha fahendrena Aminy ho an’ireo zava-tsarotra lalovanao eo amin’ny fiainanao

Mitadiava fiangonana iray hidiranao, izay mino fa ny Baiboly dia marina, ary mitory ny fahafantarany an’i Jesosy manokana tahaka anao ankehitriny. Raha mila fanampiana ianao amin’ny fitadiavana izay iray izay dia andefaso mailaka aho fa hampiako ianao. Aoka hatao batisa amin’ny rano ianao. Hanampy ny firaketana ao am-ponao sy ny fanamafisana ny fanoloran-tenanao izany. Afaka manampy anao amin’izany ny fiangonanao. Aoka ho feno ny Fanahy Masina ianao. Mangataha amin’Andriamanitra hameno anao isan’andro amin’ny Fanahiny, ary mba harotsany aminao ireo Fanomezany. Hanampy anao ny toko 5 voalohany ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Lazao amin’ny olona hafa matetika araka izay azonao atao mikasika ny vavaka izay nataonao androany sy momba ny namelan’i Jesosy ny helokao.

Ankoatr’izay, ity misy zavatra iray manaraka. Handefa mailaka ho ahy ve ianao androany ary hilaza amiko ny fanapahan-kevitrao handray an’i Jesosy ho mpanjakan’ny fonao? Manao ahoana ianao? Manana fanontaniana ve ianao izay mety afaka anampiako anao? Ahoana ny hahafahako mivavaka ho anao? Angamba izao no fotoana voalohany indrindra anaovanao toy izao, na angamba nirenireny tamin’ny lafiny ara-panahy ianao ka izao vao miverina mody. Na izany na tsy izany dia tiako ny haharay vaovao avy aminao.

www.needhim.org sy www.oneminutewitness.org ary www.oasisworldministries.org.




LOHARANOM-BATSY

Features
Features
Features