Tsy liana amin’izany aho

Inona no mety misakana anao tsy hanolotra marina ny fiainanao ho eo ambany fahefana sy fitiavan’i Jesosy Kristy, ilay Andriamanitra tokana maty ho ANAO?

Ireto ny antony omen’ny olona sasantsasany:

“Tsy vonona aho.”

Eny ary, androany alina, vonona ny ho faty nefa tsy nahazo ny famelan-keloka avy Aminy ve ianao? Raha tsia ny valiny dia efa vonona ianao izao hanaiky an’i Jesosy. Misy Andriamanitra izay tia anao fatratra, kanefa misy koa devoly izay mankahala anao tanteraka. Homeny antony sy fialan-tsiny isan-karazany ianao mba tsy hanoloranao ny fiainanao sy ny fonao ho an’i Jesosy. Izany no antony iantsoana azy ao anaty Baiboly hoe ‘rain’ny lainga rehetra’.

Na, mety tsy vonona ny hiala amin’ny fahotana sasany amin’ny fiainanao ianao. Tsy zava-baovao izany. Tsy maintsy miaina ho an’i Jesosy isika rehetra, andro iray isaky ny mandeha. Raha ny fahotana tianao indrindra no hanalavitra anao foana amin’ny fitiavan’Andriamanitra sy hanakana anao tsy ho any an-danitra, izany ve dia mba mifandanja? Na inona na inona fahotana nafoinao dia hisolo fifaliana goavam-be kokoa sy fiadanana ao am-ponao. Afaka manantena izany ianao

Mirosoa. Manatòna an’Andriamanitra amim-pinoana ary ajanòny ny fialan-tsiny. Hanampy anao isan’andro Izy.

“Manana olana maro sy lehibe kokoa noho ny vavaka ataoko Andriamanitra.”

Diniho tsara. Heverinao ve fa ilay Andriamanitra izay mampijoro ho tontolo iray an’izao tontolo izao dia tsy afaka mamaly afa-tsy fangatahana am-bavaka 20 fotsiny isan’andro? Heverinao ve fa mila milahatra ianao na mila fandaminana ny fiainanao vao mihaino anao Andriamanitra?

Milaza ny Baiboly fa tsy tiany na dia olona iray aza (IANAO) tsy ho any an-danitra. Raha ianao irery no mpanota teto an-tany dia tsy maintsy tonga ihany Izy, tsy maintsy maty ary nitsangana ho velona mba hahazo famelan-keloka ianao.

Milaza ny Baiboly fa tsy tiany na dia olona iray aza (IANAO) tsy ho any an-danitra. Raha ianao irery no mpanota teto an-tany dia tsy maintsy tonga ihany Izy, tsy maintsy maty ary nitsangana ho velona mba hahazo famelan-keloka ianao.

Raha izany no fanirianao dia tsidiho ny rohy Te-hahalala bebe kokoa aho article.

“Efa nanota be loatra aho.”

Ohatra ny ahoana ny be loatra? Manasokajy antsika ho “mpanota ratsy” na “mpanota tsara” ve Andriamanitra?

Araka ny voalaza ao anaty Baiboly, efa nanota isika REHETRA, ka tsy misy NA IZA NA IZA afaka miditra any an-danitra, na ny lanitra tsy mety ho tonga lafatra intsony. Na kely na lehibe ny endriky ny fahotantsika dia tsy mahafeno fepetra daholo isika. Mpanota avokoa isika rehetra

Fa ny fitiavan’Andriamanitra dia manarona ny ota TSIRAIRAY. Na dia teo am-pialana aina teo ambony hazo fijaliana aza i Jesosy dia nisy mpamono olona roalahy niaraka nohomboana taminy teo. Naneso an’i Jesosy ny anankiray tamin’izy ireo, fa ny iray kosa nitalaho tamin’i Jesosy mba hamela azy. Ary Jesosy niteny fa hataony izany

“Azo raisina ho somary olona tsara aho… azo antoka fa tsy ratsy tahaka ny olona maro.”

Hahatafiditra anao any an-danitra ve ny asa tsara vitanao? Tena matoky ve ianao fa ampy ny asa tsara vitanao? Sehatra roa no voakasiky ny olana apetrak’izany fomba fijery izany.

Ny iray dia ny fanontaniana, firy ny isan’ny asa tsara tsy maintsy ataoko mba hahazoana ny fidirana any an-danitra?

Ny zava-tsarotra faharoa dia, ‘raha afaka mankany an-danitra aho noho ny asa tsara vitako, nahoana Jesosy no tsy maintsy tonga teto an-tany sy maty?’

Mampianatra antsika ny Baiboly fa ny lanitra dia tsy afaka ho AZONTSIKA avy amin’ny asa na filokana… fanomezana izy io! Kanefa tsy maintsy manolo-tanana sy mandray azy miaraka amin’ny finoana aho

Tena zava-dehibe ny asa tsara, nefa tsy misy afaka mamafa ny fahotantsika. Jesosy sy ny asany teo amin’ny hazo fijaliana ihany no afa mamela antsika.

Noho izany, ampy izay ny fialan-tsiny? Efa tonga ny fotoana hiantsoana an’Andriamanitra sy hangataka Aminy hifehy ny fiainanao. Hangataka Aminy hamela ny helokao sy ho Tomponao, Mpamonjy anao ary lehibenao mpitarika ny fiainanao. IO NO HO safidy tsara indrindra ataonao amin’ny fiainanao manontolo

Tsidiho ny lahatsoratra ao amin’ny rohy Te-hahalala bebe kokoa aho, ary afaka manonona vavaka iray ianao izay hanova ny fonao mandrakizay!




LOHARANOM-BATSY

Features
Features
Features