Izaho sy ianao ary ny olombelona rehetra eto amin’ny planeta Tany dia manana filàna fototra telo: hotiavina, hotadiavina, hekena.
Ahoana raha lazaiko ianao fa fantatro ny fomba mety ahazoanao fahafaham-po amin’ireo filàna telo ireo?
Ahoana raha lazaiko ianao fa tsy mivarotra na inona na inona aho?
Ahoana raha lazaiko ianao fa ireo filàna telo ireo dia tsy azo avy amin’ny fikaramana na filokana, satria izy ireo dia fanomezana?
Zaraiko aminao eto, nisy ny fotoana teo amin’ny fiainako izay tsy nananako na fiadanana, na fanantenana, na koa antom-piainana, izay sitrahako ankehitriny. Nijery an’izao tontolo izao aho sady nanantena fa nisy zavatra hafa amin’ny fiainana ankoatry ny iaraha-mahita.
Nisy olona iray naka fotoana nanambara tamiko momba an’Andriamanitra iray, izay tena tia ahy, izay manana tanjona sy fanantenana amin’ny fiainako. Tsy Andriamanitra lavi-pitoerana na miavona, fa Andriamanitra maniry ny hiarahako miaina Aminy any an-danitra mandrakizay indray andro any rehefa maty aho.
Saingy nanana olana aho. Ny lanitra dia tonga lafatra, nefa izaho tsy toy izany! Ka tsy afaka ny hiditra any an-danitra aho. Fa io Andriamanitra io dia nanao lalana ho ahy tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany, izay tonga teto an-tany ary maty noho ireo fahotako. Telo andro taty aoriana, nitsangana tamin’ny maty Izy, noporofoiny fa Izy no Tompo.
Koa nanasa an’i Jesosy aho hipetraka eo amin’ny sezan’ny mpamily ny fiainako. Nangataka taminy aho hamela heloka ahy noho ireo ratsy nataoko, ary nangataka taminy ny hery hiainana ho Azy, fa tsy ho an’ny tenako.
Fantatrao ve inona no nitranga? Nahavoaray fanantenana sy fiadanana ary antom-piainana vaovao aho. Zava-mahagaga tsy hay faritana no niseho. Ary mbola tsy tapitra izany hatramin’izao
Vonona ny hanomboka fiainana vaovao ve ianao? Ny Baiboly dia milaza fa rehefa manaiky an’i Jesosy ho Tompon’ny fiainantsika isika, dia tonga olom-baovao… lasa ny zavatra taloha ka tonga vaovao ny zavatra rehetra
“Inona no mety misakana anao tsy hanolotra ny fiainanao manontolo ho an’i Jesosy anio?” Tahotra? Fisalasalana? Faneren’ny namana? Sa, tsotra be fotsiny ihany, miezaka ny tsy hieritreritra mikasika ny ho avy eo amin’ny fiainana mandrakizay ianao? Na koa mety mihevitra ianao fa manana olana maro sy lehibe kokoa hovahana Andriamanitra
Ity ny vaovao tsara. Tia anao Andriamanitra! Raha miaiky ny fahotantsika amin’i Jesosy isika, hanome famelan-keloka ho azy rehetra Izy… tapitra eo…na fahotana kely na fahotana lehibe. Nahoana ianao no mbola hitsapa vintana sy hiandry?
Raiso ny Mi telo lehibe izay manoro antsika ny fomba hahatongavana any an-danitra:
Miaiky aho fa nanao ratsy Izaho dia mpanota. Ary Andriamanitra dia tsy mamela na dia fahotana singany kely iray ho any an-danitra, fa raha tsy izany tsy ho lanitra intsony ny lanitra.
Mino ato am-poko aho
fa Jesosy dia tena tonga, ara-bakiteny, mba hamoy ny ainy noho ny fahotako, ary nitsangana tamin’ny maty Izy, noporofoiny ny maha-Izy Azy
Miaiky ny fahotako aho ary mangataka ny famelan-keloka lehibe avy Aminy. Vonona aho hiala amin’ny fahotana rehetra miaraka amin’ny fanampian’Andriamanitra. Manaiky an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ahy aho… ho lehibe mpitarika ahy.
Tsy afaka manadio ny fiainanao ianao alohan’ny hanatonanao an’Andriamanitra. Tsy maintsy tonga araky ny maha-ianao anao ianao. Tsy talanjona amin’ny fahadiovantsika na ny asa soa vitantsika Izy, satria, tsy misy ota velively ao Aminy. Manasa antsika izy ho voavela heloka sy ho tonga olona afaka.
Inona ary ny ao an’eritreritrao? Inona no mety misakana anao androany tsy hangataka an’i Jesosy ho mpanjakan’ny fiainanao? Tsy misy akory?
Raha izany, hanao izao vavaka izao amin’ny fonao ve ianao izao ankehitriny izao?
Ataovy izao vavaka izao, tonòny mafy raha tena vokatry ny fonao:/p>
“Jesosy malala ô,
Manaiky aho fa nanao ratsy, ary mpanota aho. Mifona aho noho ny fahotana vitako. Mino aho fa maty Ianao nisolo toerana ahy ary nitsangana tamin’ny maty. Ka miaiky ny fahotako eto anatrehanao aho. Mamelà ahy ary omeo fiandoham-piainana vaovao aho. Mangataka Aminao aho mba ho Ianao no lehibeko sy Tompon’ny foko. Ampio aho izao mba hiaina ho Anao. Misaotra Anao aho noho ny fitiavanao lehibe sy ny famelan-keloka avy aminao. Manao izao vavaka izao aho amin’ny anaran’i Jesosy… amen!”
Raha vokatry ny fonao tokoa no nanaovanao izany vavaka izany dia nihaino anao teo no ho eo Andriamanitra. Namela heloka anao izy tamin’ireo zavatra ratsy sy feno fahotana rehetra vitanao hatramin’izay. Na kely na lehibe ny fahotanao, voavela izany. Ary izao dia manana fiandoham-piainana vaovao tanteraka ianao… madio ny solaitra!
Ary izao manaraka izao ny fomba hahafahanao mitandrina io fitiavana an’Andriamanitra io ho velom-bolo sy hatanjaka foana:
Vakio ny Baibolinao ary mivavaha isan’andro Mamporisika anao aho hanomboka ny famakianao ao amin’ny bokin’i Masindahy Jaona. Hambarany aminao ny momba an’i Jesosy sy ny Fitiavany mahatalanjona ho anao. Ary ny vavaka dia tsy inona akory fa ny firesahana amin’Andriamanitra. Misaora Azy amin’y zava-tsoa eo amin’ny fiainanao, ary mangataha fahendrena Aminy ho an’ireo zava-tsarotra lalovanao eo amin’ny fiainanao.
Mitadiava fiangonana iray hidiranao , izay mino fa ny Baiboly dia marina, ary mitory ny fahafantarany an’i Jesosy manokana tahaka anao ankehitriny. Raha mila fanampiana ianao amin’ny fitadiavana izay iray izay dia andefaso mailaka aho fa hampiako ianao.
Aoka hatao batisa amin’ny rano ianao. . Hanampy ny firaketana ao am-ponao sy ny fanamafisana ny fanoloran-tenanao izany. Afaka manampy anao amin’izany ny fiangonanao.
Aoka ho feno ny Fanahy Masina ianao . Mangataha amin’Andriamanitra hameno anao isan’andro amin’ny Fanahiny, ary mba harotsany aminao ireo Fanomezany. Hanampy anao ny toko 5 voalohany ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly
Lazao amin’ny olona hafa matetika araka izay azonao atao mikasika ny vavaka izay nataonao androany sy momba ny namelan’i Jesosy ny helokao.
Ankoatr’izay, ity misy zavatra iray manaraka. Handefa mailaka ho ahy ve ianao androany ao amin’ny frostygrapes@oasiswm.org, ary hilaza amiko ny fanapahan-kevitrao handray an’i Jesosy ho mpanjakan’ny fonao? Angamba izao no fotoana voalohany indrindra anaovanao toy izao, na angamba koa nirenireny tamin’ny lafiny ara-panahy ianao ka izao vao miverina mody. Na izany na tsy izany dia tiako ny haharay vaovao avy aminao.
Ireto misy tranonkala izay hanampy anao hitombo amin'ny finoanao vaovao sy feno fientanam-po:
www.needhim.org sy www.oneminutewitness.org ary www.oasisworldministries.org.